Fotoana fialantsasatra izao (Jolay-Septambra), betsaka ireo ankizy mijanona ao an-trano mijery "ECRAN" na mampiasa finday ela loatra kanefa mety hisy fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny maso sy ny saina ireny. Ny taova rehetra ao amin'ny ankizy dia mbola an-dalan'ny fivoarana, noho izany dia marefo. Ny "ECRAN" dia misy lafi-tsarany, enti-mampianatra ; misy lafiny ratsy koa, ny fahasimban'ny maso... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Manambana hitokona ny mpiasan'ny JIRAMA raha tsy misy ny vahaolana mato-paika ho an'ity orinasa ity. Tandondomin-doza ny firenena noho ny olan'ny orinasa. Mitaky fandraisan'andraikitra miaraka izy ireo... ♦ Nanamafy ny Ôfisy Malagasy ny ankoraafo fa ampy tsy misy atahorana ny tahirin-tsolika eto Madagasikara. Mbola misedra olana amin'ny fahitana solika nefa ny mpanjifa tamin'ny omaly... ♦ Nihena ny voka-bary tany amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro tamin'ity taona ity. Noho ny fikorontanan'ny tetiandrom-pamokarana ho an'ny tantsaha any amin'ny tapany avaratra sy atsimon'ity faritra ity no antony mahatonga izany...

Ny Lahika dia tokony ho tia sy hanaja ny zava-boary fa ireny indindra no maneho ny fahefan'Andriamanitra ary enti-midera sy manome voninahitra Azy Mpahary. Manaja ny Mpahary isika rehefa manaja ny zavatra nohariany. Tena manana adidy tsy azo ialàna ny isam-batan'olona manambatra ny hery, manaja ny kolontsaina voadion'ny Evenjely, manaja ireo soatoavina, manaja ny hasin'ny olombelona... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

• Nanamafy androany ny Ofisy Malagasy misahana ny Akoranafo fa ampy tsy misy atahorana ny tahirin-tsolika eto amintsika. Mbola misedra olana amin'ny fahitana solika anefa ny mpanjifa... • Tsy zakan'ny vahoaka sy ny mpandraharaha misambo-bola any amin'ny banky ny tataon-ketra 20 %, alaina amin'ny zanabola. Fanehoan-kevitry ny Solombavambahoaka Ramilison Nomenjanahary... • Nihena ny voka-bary tany amin'ny Faritra Alaotra Mangoro tamin'ity taom-pamokarana ity. Noho ny fikorontanan'ny tetiandrom-pamokarana ho an'ny tantsaha any amin'ny tapany avaratra sy atsimon'ity Faritra ity no antony mahatonga izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...