♦ Hatao eto Antananarivo ny 26 hatramin'ny 30 jolay 2023, ny andiany fahatelo amin'ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy eto Madagasikara. Notanterahana androany ny fiantsoana ireo ankizy hanatrika ny JNE, avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Nampiantrano ny Filankevitry ny Minisitra mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana na ny COI, andiany faha-37, tetsy amin'ny CCI Ivato androany, i Madagasikara...

♦ Hifarana afaka 14 andro ny fisoratana anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy, amin'izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao, ka manentana ny olom-pirenena hanao izany ny eo anivon'ny CENI... ♦ Vola 9,5 tapitrisa Euros no nomen'ny Governemanta Frantsay, ho an'ny Governemanta Malagasy. Hampiasain'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana... ♦ Nidina ifotony nanazava ny momba ny tetikasa télépherique, teny amin'ireo sekoly handalovan'ny Zotra Volomboasary, ny teknisiana avy amin'ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana...

Na mbola tsy mahalala kolikoly aza ny zaza dia efa misy fanabeazana azo atao mba tsy hitodika amin'izany izy. Na tsy resahana ny zaza àry ny hoe kolikoly dia ny fomba fihetsika manoloana azy mihitsy no mila tandremana mba tsy hampirona azy amin'izany. Tsy ny resa-bola ihany no endrika isehoan'ny kolikoly fa maro ary isan'izany ny fomba fiteny, ka eo indrindra no miditra ny fanabeazana ny toe-tsain'ny zaza dieny mbola kely izy...

♦ Nahatratra hatrany amin'ny 1,1 miliara Euros, ny fifanakalozana ara-barotra teo amin'i Madagasikara sy i Frantsa, tamin'ny taon-dasa, izay ambony indrindra teo amin'ny tantaran'ny fifandraisan'ny firenena roa tonta... ♦ Famonjena ny firenena amin'ny tsy fahampian'ny tolotra arak'asa ho an'ny Malagasy sy ho fametrahana ny indostria ho fototry ny fampandrosoana, no tanjon'ny fanavaozana ny làlana mifehy ny fampiasam-bola eto Madagasikara, izay efa lany tamin'ny asam-baomiera teny Tsimbazaza...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...