Azo avahana ho roa ny hevitenin'ny Soratra Masina dia ny hevitra ara-bakiteny, izay iankinan'ny hevitenin'ny Soratra Masina rehetra, ary ny faharoa dia ny hevitra ara-panahy, izay mitsinjara ho telo ka ny hevitra an'ohatra sy ny ara-moraly ary ny hevitra ara-tandindona. Lovam-pampianarana avy amin'ny Apôstôly no nahatonga ny Eglizy hahay hanavaka ny Soratra Masina tsy maintsy noraisina ho Tenin'Andriamanitra. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Alarobia 14 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela: vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 19-23

♦ Miantso ny fampitsaharana ny fanapotehana ny firenena, izay mampitombo ny krizy ara-tsôsialy sy ara-toekarena efa iainanan'ny olom-pirenena amin'ny andavanandro, ny antoko Malagasy Miara-Miainga... ♦ Mihatsara hatrany fivoaran'ny asa ataon'ny firaisamonim-pirenena eto Madagasikara, raha ny tatitry ny fanadihadiana tamin'ny taona 2021 notarihin'ny Voaary Salama... ♦ Hankalaza ny faha-100 taonany amin'ny taona 2023, ny Antilin'i Madagasikara. Hatomboka ny 22 marsa 2023 ny fankalazana ary hotohizina hatrany amin'ny taona 2024...

♦ Ny rafitra mihitsy no olana amin'ny fampandrosoana ny firenena, fa tsy ny Governemanta, hoy ny avy amin'ny vondrona Panorama, nanoloana ilay raharaha teny Tsimbazaza... ♦ Mitaky ny hanatsarana ny lalam-pifidianana ny KMF/Cnoe, tanatin'ny fanambaran'izy ireo. Tokony hisy ny fakan-kevitra isam-paritra, handrafetana volavolan-dalana amin'izany fanatsarana izany... ♦ Mbola tsy tafarina ireo mpandraharaha amin'ny sehatra tsy miankina, roa taona aty aorian'ny krizin'ny Covid-19, hoy ny filohan'ny Fivmpama...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...