♦ Nampikatso ny raharaha eny anivon'ny fitsarana, noho ny fitokonany androany, ireo mpiraki-draharaha manerana ny nosy. Niveri-maina ireo manan-draharaha, naverina am-ponja ireo voafonja tokony hotsaraina, ho an'ny teny amin'ny Fitsarana Anosy... ♦ Ahiana hiverina indray ny kere any atsimon'ny nosy. Ahiana ho mafy noho ny hatramin'izay ny zava-misy, efa vidiana 3000 Ar ny rano iray bidon, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany Ambovombe Androy... ♦ Olona 5 no maty, 13 naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teo anelanelan'Irondro sy Manakara androany vao maraimbe...

♦ Hampody an'ireo malagasy mpianatra miisa 30 nahavita fianarana tany ivelany ny Fanjakàna malagasy. Hiantoka ny saran-dalan'izy ireo mody eto Madagasikara ny Fanjakàna... ♦ Hizara zezika ho an'ny malagasy tantsaha ny Fanjakàna. 4 miliara Ariary no natokana hividianana izany zezika izany hiatrehana ny taom-pambolena... ♦ Mila hatsaraina ny volavolam-pehezan-dalana voavao momba ny harena an-kibon'ny tany vao tokony haroso hodinihan'ny antenimiera mpanao lalàna hoy ny Filohan'ny Kômity iraisam-paritry ny harena an-kibon'ny tany na ny CIRM Atsimo-Andrefana Jean Désiré Marcelin... ♦ Nanao andrana tifitra balafomanga indray ny Kôreana tavaratra androany maraina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...