05 ôktôbra — Teraka tao Głogowiec tao Pologne ny 25 aogositra 1905 i Faustine. Hélène no anarany ary zaza fahatelo amin'ny zaza folo izy. Tantsaha mahantra ny fianakaviany. Teo amin'ny fahafito taonany izy no naheno ny fiantsoana azy ho relijiozy.

Tafiditra ao anatin'ny fifampiresahana ny "fahanginana" amin'ny fotoana sasany, ka ny fitoniana dia manampy betsaka amin'ny fifampiresahana. Tsy voatery hitovy hevitra avokoa ny fianakaviana miray trano. Harena ny tsy fitovian-kevitra mba hisian'ny fivelarana marina eo amin'ny fiainana sy hahitana ny lalana tokony hizorana. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.

Alarobia 5 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-4

♦ Nandray ny masoivoho vaovaon'i Lafrantsa miasa sy monina eto Madagasikara, teny amin'ny birao fiasany teny Ampahibe, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Madeha tsara toy ny hatramin'izay ny fiaraha-miasa eo amin'ny tany roa tonta, hoy ny Jeneraly Rakotonirina Richard... ♦ Mponina iray hetsy, tratran'ny tsy fanjarian-tsakafo ambony, any amin'ny tapany atsimon'ny nosy, no hahazo tohana ara-tsakafo avy amin'ny Britanika. Nanolotra roa tapitrisa Livre sterling hanatontosana izany ny governemanta any Royaume-Uni...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...