05 jolay — Teraka tamin’ny faramparan’ny taona 1502 i Antoine-Marie Zaccaria. Zanaka fianakaviana andriana izy. Tao Crémone Lombardi  izy no teraka ary tao ihany ko no notaizana. Mbola kely an-tanana izy dia maty ny rainy ka ny reniny, vao 18 taona tamin’izay, no nitaiza azy tao anatin’ny fitiavam-bavaka sy ny fitiava-namana.

Ny tenan'ny olombelona ihany no mpanao, foibe ary tanjon'ny fiainana rehetra ara-piharian-karena sy ara-piaraha-monina. Izao no vahaolana tena izy momba ny fiaraha-monina : ny haren'ny zava-boaary nataon'Andriamanitra ho an'ny rehetra raha ny tena marina, dia tokony hipaka amin'ny rehetra, araka ny fahamarinana. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Talata 5 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38

♦ Ny taranja Malagasy sy SVT, androany no nanombohan'ny mpiadina ny fanadinam-panjakana BEPC. Efa nanomboka avy hatrany ny fitsarana, hoy ny eo anivon'ny Minsiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Nampitsahatra ny asany, ireo mpianatra ho mpitsabo "interne" sy "interne qualifiant", miasa eny amin'ny hôpitalim-panjakana. Nisy ireo nilanja sora-baventy teny amin'ny HJRA androany, mitaky fampiakarana 13% ny tambin-karama, toy ny mpiasam-panjakana rehetra... ♦ Ankizy tsy ampy taona miisa 2 tapitrisa any ho any amin'izao no efa miditra amin'ny sehatry ny asa, ka ny 80%-n'izy ireo dia anatin'ny asa mamoafady na mitera-doza...

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...