♦ Isan'ny mampirongatra ny ady tany eto Madagasikara ny fitsarana miangatra sy mitanila hoy ny filohan'ny vaomiera misahana ny fananan-tany eny amin'ny antenimieram-pirenena Naivo Raholidinina. Andro faharoa amin'ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany ny androany... ♦ Nahitam-bokany ny ezaka nataon'ny mpitandro filaminana ao Fianarantsoa. Tratra ireo jiolahy nampahory ny vahoaka efa nokarohana nandritra ny herintaona... ♦ Nisokatra ny faha enin'ny volana jona teo ny taom-pihotazana sy fanangonana ary ny famarotana na anatiny na ivelany ny lojy mainty maso na ny Black Eyes any amin'ny Faritra Boeny...
Fotoanan'ny fety isan-karazany izao : ny fetim-pirenena, ny fetin'ny ray, koa aoka iainana ny fifanajana mba hisian'ny fifankativana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Notanterahana omaly tao Morondava ny lamesa fisaorana an'Andriamanitra ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny Eveka Emeriten'ny Diosezin'i Morondava Mgr Donald Pelettier, nodimandry tany Etazonia ny Alahady teo... ♦ Namoaka boky tsangambaton'ny faha-50 taona niorenan'ny Faritra Jésuites eto Madagasikara ny fikambanan'i Jesoa eto amintsika... ♦ Miantso an'ireo ministra tompon'andraikitra handrava ny tambazotran'ny mpangala-tany eto Madagsikara ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany, nanomboka omaly ary hifarana rahampitso...
Manana sofina avokoa isika rehetra, kanefa matetika, na ireo izay manana fandrenesana faran'izay tsara aza dia tsy afaka hihaino ny hafa akory. Misy araka izany ny hasembanana marenina ao anaty, izay ratsiratsy kokoa indray noho ny fahasembanana ara-batana. Ny fihainoana araka izany dia tsy hoe mahakasika fotsiny ny retsi-pandrenesan'ny sofina, fa ny maha-olona manontolo mihitsy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco