♦ Hafainganina ny famoahana ny tamberim-bidy azo avy amin'ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany natokana ho an'ny vondrom-paritra, tokony hisitraka izany hoy ny ministra mpiahy... ♦ Mbola mijanona ao anatin'ny krizy amin'ny ankapobeiny ny teo-karena any amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana tamin'ity taona 2022 ity vokatry ny fiatraikan'ny valan'aretina Covid-19, nanomboka ny taona 2020... ♦ Ambony ny tahan'ny tsy fananan'asa ao Toliara, mampalahelo fa saika mirona any amin'ny fotondrana posy avokoa ankehitriny ny ankamaroan'ny tanora tsy an'asa...

♦ Nampidi-bola 2 800 miliara Ariary mahery ho antsika Malagasy ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany ho an'ny taona 2019... ♦ Tsy rariny raha ny karana no manjakazaka amin'ny tanin'ny Malagasy, izay ananana taratasy mazava, hoy ireo mponina eny amin'ny Fokontany Morarano-Alarobia, izay nisian'ny fandravana fiangonana omaly... ♦ Ny 66% amin'ny tanjona napetraka amin'ny fambolen-kazo tamin'ity taona 2022 ity no vita ankehitriny...

13 jolay — I Henri dia teraka tamin’ny taona 973 tao Abbach tamin’ny fotoana nahalasanan’i dadatoany Othon le Grand mpanorina Saint-Empire Romain Germanique. Lahy matoa amin’ny zaza efatra naterak’i Henri le Querelleur, duc de Bavière sy i Gisèle de Bourgogne vehivavy hendry sy tia vavaka.

Ny andry voalohany mampijoro ny tena atao hoe rariny sy hitsiny dia ny "tena zava-misy" marina. Izany hoe tsy tokony ho lavina fa tena misy tokoa ireo olom-bitsy izay azo lazaina fa manontany ny ory ary ireo olona tsy mitsaha-mitombo isa tsy manana ny hasina maha-olona azy. Ny andry faharoa dia ny fitaovana na ny fahafahana. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...