Ny maha olom-pirenena dia ny fifanajàna, ny filaminana, izay vokatry ny fiainana ny fahamarinana, ary ireo telo ireo dia mifaningotra. Mba hisian'ny fitohizan'ny fitantanana sy ny fitondrana ny firenena dia ilaina ny fifanajana, indrindra eo amin'ny fifampitondran'ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy ary ny teknisiana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Fotoana hanovàna famindra sy hanafangainana ny fampandrosoana ny sehatry ny fambolena mba hanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo izao, hoy ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Mitaky ny handravàna ireo governoram-paritra ny RMDM, taorian'ny filazan'ny filohan'ny HCC amin'ny andraisany andraikitra manoloana ny tsy fanajàna ny lalam-panorenana... ♦ Tale 32 tao amin'ny Jirama no voalaza fa nisitraka tambikarama hatrany amin'ny 1 180 tapitrisa Ariary. Tonga nanara-maso ny fizotran'ny raharaha eny amin'ny PAC ny solotenan'ny mpiasa...

Ny andraikitra amin'ny fikatsahana ny soa iombonana dia tsy an'ny isam-batano'olona fotsiny fa an'ny fanjakana koa, satria ny soa iombonana no antom-pisian'ny fahefana ara-politika. Ohatra amin'ny soa iombonana : firaisan-kina, fandriampahalemana, tontolo iainana. Andriamanitra sy ny lanitra no soa iombonana fanaperana tokony katsahina. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 12 mey 2022 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...