♦ Feno 50 taona ny tolom-bahoaka tamin'ny 13 mey 1972, nitakiana ny hetaheta sy ny tombontsoam-bahoaka. Nosantarina omaly teny Analakely ny hetsika fahatsiarovana izany, hitohy amin'ny herinandro ho avy io... ♦ Mitaky ny hijerena ny tena marina, sy hampanjakàna ny rariny amin'ny fitoriany ny solombavambahoaka any Bekily, ireo mponina any an-toerana. Nanitsy ny voalazan'io olomboafidy io izy ireo fa manana lonilony aminy ny mponina noho ny olana ara-tany, ka saika nitifirana azy... ♦ Navoaka omaly ny lisitra mirakitra ireo mpilalaon'ny Barea hiatrika ny fifanintsanana CAN 2023, afaka tapa-bolana. Anisan'ireo mpilalao voaantso i Remy Vita, mpilalaon'ny Bayern de Munich...

Ny hoe : "natao hampiasain'ny daholobe" dia tsy midika fa azon'ny tsirairay na ny daholobe ampiasaina malalaka ny zava-drehetra. Na manan-jo hampiasa an'ireo harena ireo ny olon-drehetra raha vao teraka dia tsy azo lavina fa mba hahafahana mahazo antoka fa ho ar-drariny ny fampiharana an'izany zo izany dia ilaina ny hisian'ny fitsipi-pifehezana. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Sabotsy 14 mey 2022 — Masindahy Matthias, Apôstôly — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Mansindahy Joany 15, 9-17

♦ Dimampolo taona androany no nisian'ny tolona 13 mey 1972. Fitakian'ny mpianatry ny Oniversite, niafara tamin'ny hetsi-bahoaka. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanombohana ny fanamarihana ny faha-50 taonan'ny tolona 72, androany... ♦ Nifarana androany ny fifanakalozan-kevitra andiany faharoa teo amin'ny mpandraharaha amin'ny sehatra tsy miankina sy ny fitondram-panjakana. Samy vonona sy resy lahatra amin'ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...