♦ Manamafy ny fanamby efa napetrany ireo mpikamban'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, fa hiasa ao anatin'ny fahamarinana sy ny fanajana ny Lalam-panorenana... ♦ Ben'ny Tanana roa avy nivory teto an-drenovhitra no niheren-doza tamin'ny sakan-dalana teny amin'ny lalam-pirenena fahefatra... ♦ Mbola ambany ny antontan'isan'ireo mpianatra hanala Bakalôrea, nahavita fisoratana anarana ho an'ny eto Antananarivo, amin'izao herinandro hikatonan'ny fisoratana anarana izao...

♦ Azo heverina ny hirosoan'ireo firenena tandrefana amin'ny hanaovana an-kivy an'i Madagasikara, tao aorian'ny fahakivian'ny Vondrona Eorôpeana, manoloana ny toeran'i Madagasikara amin'ny raharahan'i Russie sy Ukraine... ♦ Lavin'ny Antoko TIM ny filazana fa mitady seza izy ireo manoloana ny fangatahana ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta... ♦ Afindra any Antsirabe noho ny lafiny toetr'andro ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, izay saika hatao any Manakara...

Mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny vehivavy, amin'ny andraikitra raisiny eo anivon'ny tokantrano, fiaraha-monina, fiangonana. Ilaina ny fahazotoana sy ny finiavana ao anatin'izany. Ho fitantanana izany anefa dia ilaina ny fifampiresahana eo anivon'ny tokantrano, manoloana ireo andraikitra marobe raisina ireo.

Fampivoarana ny toe-karena. Ho fampivelarana ny maha-olona no tanjon'ny fampivoarana ny toe-karena. Adidin'ny mpitondra fanjakana ny mandrindra ny toe-karena, adidin'ny vahoaka entina ny mijoro ho tompon'andraikitra amin'ny fanatontosana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...