Ry kritianina havana, zoma ny andro, ary zoma voalohany amin’izao karemy izao ihany koa hibanjinantsika ny fijalian’i Jesoa amin’ny lalan’ny hazofijaliana. Ny lalan’ny hazofijaliana izay hiarahantsika aminy mankany amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona.

Zoma 4 marsa 2022 — Zoma manaraka ny lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-15

♦ Tsy hiova ny fifandraisan'ireo Eorôpeana sy ny vahoaka Malagasy, ary mitohy hatrany izany, hoy ny mpiandraiki-draharahan'ny Delegasiôna Eorôpeana eto amintsika... ♦ Nankatoavin'ny OMS ny andrana ara-pitsaboana natao tamin'ny CVO+, hitsaboana ny Covid-19. Tonga teto amintsika ireo manam-pahaizana manokana, nanara-maso ny dingana rehetra tamin'izany, hoy ny teo anivon'ny Pharmalagasy... ♦ Hafindra any Antsirabe, noho ny toetr'andro ny fanamarihana ôfisaly ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy amin'ny 8 marsa 2022 izao...

♦ Mbola hitohy ny rotsak'orana amin'ny Farittra samihafa hatramin'ny faran'ny herinandro izao. Namoizana ain'olona ny rotsak'orana ny talata teo ho an'ny tao Antananarivo-renivohitra... ♦ Hamafisina ny fitandroana ny fandriam-pahalemana. Handray mpianatra ho pôlisy 1.450 ny ministeran'ny filaminam-bahoaka. 1.500 ny mpianatra ho zandary, horaisin'ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria... ♦ Miabo ny vokatra azon'ny fandaharan'asa Prosperer nandritra ny 14 taona, nisiany, hifarana amin'ity taona ity. Mihoatra ny 62.000 ireo mpisitraka mivantana ny fandraharan'asa...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...