Ilaina ny fifandraisan'ny samy tanora amin'ny fanorenana ny ho avy. Misy tanora mihanona amin'ny fifandraisana amin'ny namana tokana ary misy ireo miaina ny fifandraisana "virtuelles" na anaty tambajotra sosialy. Ilaina ny fisokafana amin'ny hafa indrindra amin'ny mpiray finoana. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.

Alakamisy 11 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 20-25

♦ Natsahatra ny fampiharana ilay fampakarana ny saran-dalana hatrany amin'ny 60% ho an'ny zotra nasiônaly, izay notapahan'ireo mpitatitra ny faran'ny herinandro teo. Hisy vaomiera hatsangana hiarahan'izy ireo amin'ny minisitera mpihahy hidinika ny momba izany... ♦ Manome telo andro ny fitondram-panjakana hitady vahaolana momba ny bokin'omby sandoka, izay mahatonga ny fanagadrana ireo delegem-panjakana, ny sendikan'ny Assistants d'administration eto Madagasikara...

♦ Ho dinihan'ny solombavambahoaka amin'ny herinandro ho avy io ny volavolan-dalàna momba ny teti-bolam-panjakàna voalohany 2022, efa tonga teny Tsimbazaza tamin'ny 29 Oktobra 2021... ♦ Tsy misy gadra politika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao fa noho ny heloka hafa nataony, hoy ny Ministry ny fitsaràna... ♦ Nosamborin'ny mpitandro filaminana teny amin'ny Aéroport Ivato omaly ny ministry ny kolontsaina sy ny asa tanana teo aloha, Randrianarisoa Vaonalaroy... ♦ Nisy nitoraka grenady alina ny trano fanaovam-pirintin'ny "La Gazette de la Grande Îles" eny Tanjombato...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...