Sabotsy 24 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 24-30

♦ Nanao ranolava ny fanambarana sy ny fanehoan-kevitr'ireo mpanao pôlitika samihafa, manoloana ilay voalaza fa fisian'olona mikasa hifofo ny ain'ny Filoham-pirenena. Fanehoan-kevitra vitsivitsy no entintsika amin'izao vaovao izao... ♦ Mikaon-doha momba ny raharaham-pirenena, eto Antananarivo, ny avy amin'ny RMDM sy ireo ankolafin-kery. Milaza ho manana vahaolana, manoloana ny fiainam-bahoaka izy ireo, ao aorian'izao fakan-kevitra izao...

Samy mahatsapa ny fisian’ny ratsy, manodidina azy sy ao aminy ny olona rehetra. Miseho koa io fahatsapana io eo amin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy nandao ny olombelona mpanota ao amin'ny famindram-pony anefa Andriamanitra.

♦ Homarihina amin'ny 26 septambra 2021 ny Andron'ny Diôsezy eto Antananarivo. Hotanterahana ny volana jolay sy aogositra ny Ezaka fizakana ny Diôsezy... ♦ Nofy, fahatsiarovana, vavaka : ireo no andry telo hanorenana ny ho avy ho an'ny taranaka, hoy ny Papa François, ao amin'ny hafany ho an'ny zokiolona amin'ny Andro Maneran-tany voalohany ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona, hankalazaina ny 25 jolay izao...

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...