Sabotsy 27 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48

♦ Nolavin'ny Prefen'Antananarivo ny fikasan'ny RMDM haneho hevitra eny Ambohijato rahampitso sabotsy tontolo andro... ♦ Handray fepetra, ary nilaza androany ny EMMONAT fa tsy matahotra ny hisambotra na iza na iza manoloana ny fikasana hamory vahoaka amin'ny toerana tsy nahazoana alalana...

Naneho firaisan-kina namboly hazo tao amin'ny fokontany Ambohimanatrika Kaominina Mahitsy ato amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ny Ivon-toeram-panofanana CEDAR eto amin'ny faritra Analamanga... 

Ny fifanohanana sy ny fifankaherezana teo amin'ny kolontsaina malagasy dia tena niainana hatramin'izay fa tsy mba teo imolotra fotsiny. Ny porofon'izany dia ireo ohabolana nambara. Mila ho difotry ny fitaovam-pandrosoana anefa io soatoavina io ka tokony hofohazina hifanentana amin'ny fihevitry ny tanora ankehitriny. Atomboka ao an-tokantrano izany amin'ny fihainoana ny hafa...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...