♦ Hahazo oram-baratra anio ny faritra maro eto amin'ny nosy indrindra ny eto afovoan-tany. Oram-bratra hitohy hatramin'ny faran'ny herinandro... ♦ Hitarika voka-dratsy amin'ny toe-karena eto Madagasikara hoy ny filohan'ny CSI ny fandanian'ny parlemanta malagasy ny lalàna mampihena ny fahefan'ny tendrom-pitsaràna miady amin'ny kolikoly na ny PAC... ♦ Nanomboka nanendry izay ho mpiara-miasa aminy Andriamatoa Joe Biden filoha vaovao any Etazonia... 

♦Baolina kitra, hihaona any côte d'Ivoire, anio, ny Barean'i Madagasikara sy ny Elefantan'i Côte d'Ivoire, Vonona handresy ny ivoriana any amin'y taniny ny mpilalao malagasy... ♦ Nangataka ny ministeran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola hanampy ny teti-bola iasan'izy ireo ny antenimieram-pirenena... ♦ Nihaona voalohany nandritra ny 45 minitra omaly ny filoha Allassan Ouatara sy ny mpitarika ny mpanohitra Henri Konan Bédier... 

Ilaina ny fahatokisatena sy fifanampiana eo amin' ny ankohonana. (11-11-2020)

Alakamisy 12 nôvambra 2020 — Herinandro faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 20-25 — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...