• Olona miisa 3 no maty, vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza DIKELEDI tany amin'ny faritra avaratry ny nosy. Miisa 999 no voatery nafindra toerana, raha ny tatitra ôfisialy avy amin'ny BNGRC...
  • Tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin'ny halatra ny 11 desambra teo ireo kandidàn'ny vovonana Firaisan-kina. Nanao fanambaràna miaraka izy ireo ny sabotsy teo...
  • Tontosa omaly ny fetin'ny Seminera Zandriny eny Ambohipo, izay taninketsan'ny Pretra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mbola tsy voafehy ny afo any Los Angeles Etazonia. Manohy mandravarava trano fonenan'ny mponina ny firehetana goavam-be. Nisy indray omaly ny fanetsehana ny olona ao an-toerana hiala ny trano fonenany...

I Masindahy Hilaire de Poitiers no tsaroana amin'izao 13 janoary izao. Teraka tao Aquitaine ny taona 310 i Masindahy Hilaire, mpanompo sampy ny fianakaviany ary taranak'andriana gallo-romain izy. Araka ireo tahirin-kevitra amin'ireo asa sorany, rehefa nitady ny marina izy ka nifanerasera tamin'ny Baiboly dia nibebaka ka nangataka hatao batemy ny taona 345.

Ny hoe mibanjina dia mijery, mahita amin'ny maso-panahy, misy tantara banjinina, izay mazàna dia tantaran'i Jesoa ao amin'ny Vaovao Mahafaly. Ny fomba fivavahana no manampy amin'ny fanakarana sy fifantohana amin'ny vavaka izay atao. Ny fibanjinana dia tokony hisy fanomanana tenin'Andriamanitra, vavaka fiomanana, fanomanana toerana ary vavaka fangatahana. Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

I Masimbavy Tatiana de Rome na i Tatienne no tsaroana ny 12 janoary. Niaina tamin'ny taonjato faha-3 i Tatiana na i Tatienne. Consul romain ny rainy, tsara tarehy tokoa i Tatiana. Niara-nivavaka tamin'ireo mahantra izy na dia nanana sy zanaka manam-boninahitra aza.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...