• Mitaky ny hamoahana amin'ny fomba mangarahara ny valim-panadihadiana momba ny fanapoizinana ara-tsakafo nitranga tamin'ny faritra maro teto amin'ny nosy, ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena 400 isa. Miendrika fanodikondinana saim-bahoaka ny famoahana ny vaovao, hoy izy ireo... • Manara-maso akaiky ny fanadinana Bakalorea, ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Nampahatsiahiviny an'ireo lehiben'ny foibem-panadinana sy ireo mpampianatra mpanara-maso ny fanadinana, fa zava-dehibe ny fanarahana ireo toromarika efa nomena... • Tonga nankahery sy nametraka fandaminana ho an'ireo mpivarotra, ny teo anivon'ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe androany maraina, manoloana ny fahamaizan'ny tsena Sabotsy...
♦ Hitondra tatitra sy hanazava amin'ny vahoaka momba ny raharaha Ambohimalaza ny ministra tompon'andraikitra sy ny filoha ny alakamisy izao. Handeha mivantana amin'ny haino aman-jerim-panjakàna izany... ♦ Handray fepetra ny Ministera momba ny fihetsika ataon'ireo mpitsabo sasany eny anivon'ny hôpitalim-panjakàna. Hanazava ny momba izay eto ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka amin'izao vaovao izao... ♦ Rava hatrany amin'ny 90% ny tsenanà Sabotsy-Antsirabe, raha ny tombana, vokatry ny fahamaizana, omaly hariva. Misy tamin'ireo mpivarotra no tsy nandroaka afatsy lavenona ny entam-barony, androany maraina...
Misy fifandrifiany ny teny Malagasy ny teny Swahili, ary maro ireo porofo hita amin'ny anaran-toerana sy anaran'olona, mikasika ny fifandrohiana izay. Tamin'ny faritra avaratra-andrefana amin'ny nosintsika no tena nifanerasera tamin'ireo foko Bantou, ny teny Swahili anefa dia teny Arabo sy teny Bantou miaraka. Ireto anaran-toerana ahenoana teny Swahili Antanimasja, Amabibo, Ambatonakanga, Ambodivona, Itaosy ; ireto no ohatra anaran'olona misy teny Swahili : Anja, Salama, Monja, Riziky, Jao, Seheno...
♦ Teny amin'ny HJRA omaly hariva no natao fanadihadiana i Fenohasina tompom-pety, noho ilay raharaha Ambohimalaza. Tonga teny an-toerana naka am-bavany azy ny avy amin'ny Zandarimariam-pirenena sy ny Pôlisim-pirenena... ♦ Fianakaviana 10 manana havana maty na marary noho ny raharaha Ambohimalaza no nametraka fitoriana teny Fiadanana, omaly. Mitory ny tompom-pety tamin'iny loza niseho iny izy ireo... ♦ May ny ampahany betsaka tamin'ny tsena Sabotsy-Antsirabe omaly hariva. Ora vitsivitsy taorian'ny firehetana vao voafehy ny afo, rehefa nifanampian'ny mpamonjy voina sy ny mponina manodidina...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco