15 febroary — I Claude La Colombière dia teraka tamin'ny taona 1642 tao amin'ilay tanana antsoina hoe Saint-Syphorien-d'Ozon ary maty tao Paray-le-Monial ny 15 febroary 1682. Tao Avignon izy no novisy tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa. Avy eo izy nanohy ny fianarany tany Paris.
Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain'i Lioka : Ny voalohany "ilay sakaiza manelingelina" izany ho mamporisika hanao lemozy amin'ny fivavahana ; ny faharoa "ilay vehivavy mananontena" nivavaka lalandava ary mino sy manana fanantenana ; ny fahatelo "ilay Farisianina sy ilay poblikanina" nanana fanetren-tena... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
15 febroary 2025 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco