♦ Andro faha-4 amin'ny fihaonambe "Forum" ho an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC tanterahana eto Antananarivo ny androany. Nisy omaly ny atrik'asa momba ny fandraisana andraikitry ny vehivavy amin'ny raharaham-pirenena... ♦ Miara-miasa amin'ny fanavahana sy ny fanodinana ny fako ao Toamasina ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy sy ny Orinasa Agrotech. Tontosa omaly ny sonia momba izany... ♦ Miatrika zaikabe ao Antsirabe ny tanora avy amin'ny Fiangonana Anglikàna eto Madagasikara (EEM) Tanora miisa 2.000 avy amin'ny Diôsezy enina manerana ny nosy no mandray anjara...

♦ Lany filoha hitantana ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) ny mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy. Tontosa alina tany Taolagnaro ny fifidianana. Izy no handimby ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammy... ♦ Miray feo ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fifidianana eto Madagasikara fa tokony ampahafantarina amin'izay ny daty hanaovana ny fifidianana Loholona amin'ity taona ity. Mila hajaina ny dingana voarakitry ny lalàna hoy ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena... ♦ Nivoaka androany ny valin'ny fanadinana bakalôrea ho an'ny Faritany Toamasina. Nahatratra 55,36% ny taha-pahafaham-panadinana tamin'ity taona ity...

Masina Maria ilay olombelona toa antsika ihany dia manana finoana, azon'ny olombelona rehetra alain-tahaka. Masina Maria dia môdeli-pinoana, ny fomba niainany dia ny finoana no mialoha ny fahagagana, izay mahatonga io tranga farany io ho tanteraka. Masina Maria dia tsy miandry fahagagana vao hino, ary izany no nampitombo finoana tsikelikely ny Apôstôly... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

• Mitaky ny hamoahana ny datim-pifidianana Loholona, izay tokony hatao amin'ity taona ity ny KMF CNOE... • Fahombiazana no amehezana ny fitaterana an-tariby, tao anatin'izay efatra andro nisokafany izay... • Mbola ambany ny tahan'ny fisoratan'ny mpianatra anarana any an-tsekoly, amin'izao folo andro mahery kely tsy hanombohan'ny taom-pianarana vaovao izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...