♦ Tsy afaka miasa ankalalahana ny mpikamban'ny governemanta fa misy mibaiko azy ireo hoy ny filohan'ny antoko MTS Rolant Ratsiraka... ♦ Miandry ny famahana ny olana sôsialin'ny mponina ny solombavambahoaka miaradia amin'ny fitondrana... ♦ Efa miroborobo ny sehatry ny fambolena any Ambatofinandrahana, olana ny fiovan'ny toetr'andro... ♦ Naneho ny firaisan-kinany sy nangata-bavaka ho an'ireo olona sy firenena ahitana ilay valan'aretina MPOX i Papa François nanditra ny famaranana ny vavaka Angelus omaly... ♦ Nahery vaika ny tifitra nataon'i Hesbolah tany Israely omaly, Rôkety miisa 320 no nalefan'izy ireo tany Tel Aviv...
Miara-mivavaka amin'ny vahoakan'Andriamanitra mpanota i Jesoa Kristy. Tsy irery akory isika rehefa mivavaka hoy ny Papa François fa miaraka mivavaka amintsika mandrakariva i Jesoa Kristy, ary izay no maha-olon'ny vavaka azy. Manamafy izany ny famantaran'ny hazofijaliana ataontsika isaky ny hanomboka vavaka miantso an'Andriamanitra Trinite Masina mba hiaraka hivavaka amintsika... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
26 aogositra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 13-22)
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 4, 9-15)
Ry kristianina havana, izahay Apôstôly, araka ny fijeriko ny tenanay,
dia hoatra ny nasehon’Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty,
natao fizàhan’izao tontolo izao, na anjely, na olombelona.
Izahay moa, adala noho ny amin’i Kristy, ianareo kosa hendry ao amin’i Kristy!
Izahay osa, fa ianareo no matanjaka;
izahay faneso, ianareo kosa fanaja.
Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy,
fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana, ary misasatra miasa amin’ny tananay.
Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka;
mova tsy izahay iny no fakon’izao tontolo izao,
sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao.
Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an’izany,
fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako.
Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin’i Kristy,
dia tsy maro ray ianareo,
fa izaho ihany no niteraka anareo tamin’ny Evanjely ao amin’i Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 144, 17-18. 19-20. 21
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy:
dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana.
Tanterahiny izay sitraky ny matahotra Azy;
henoiny ny tarainany, vonjeny izy ireo!
Ny Tompo miambina izay rehetra tia Azy
ny ratsy fanahy kosa, aringany avokoa!
Ny vavako hiteny fiderana ny Tompo;
ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany Masina!
Isaorana ny Tompo! Isaorana ny Anarany:
mandrakizay, mandrakizay!
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)
Indray Sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany.
Dia hoy ny Farisianina sasany taminy:
“Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?”
Ary i Jesoa namaly azy hoe:
“Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka naka ny mofo alahatra,
dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa,
nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?”
Sady nampiany hoe:
“Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco