3 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-12)

♦ Mifototra indrindra amin'ny fanampiana ho an'ny fampandrosoana ny daholobe, ny Sampan-draharaha Japôney Misahana ny Fiaraha-miasa Iraisam-pirenena, na ny JICA... ♦ Vinavinaina hiakatra ho 1.800 ny isan'ny pôlisy monisipaly ao Antananarivo Renivohitra, afaka folo taona, raha 600 izy ireo ankehitriny... ♦ Nitatitra ny asa vitany tao anatin'izay fe-potoana intelo misesy nitantanany ny Kaominina Itaosy izay, ny Ben'ny Tanàna Randrianarisoa Jean Richard...

♦ Nampiantso fivoriana maika niaraka tamin'ny Ministry ny Angovo, ny Ministry ny Rano Fanadiovana sy ny Fidiovana ary ny Tale Jeneralin'ny orinasa JIRAMA manoloana ny olan'ny famatsiana rano sy herinaratra ny filoha Rajoelina Andry omaly... ♦ Tsy ampy 100 tapitrisa litatra ny rano vokarina eny Mandroseza hamatsiana ny filan'ny mponina eto Antananarivo antony mahatonga ny olan'ny famatsiana rano amin'izao fotoana izao, mbola very anatin'ny fantsona mpitondra rano ny 25% amin'ny vokatra... ♦ Nibahan-toerana tamin'ny fivoriana voalohany momba ny FEC sy ny FRD ny mahakasika ny fanitsiana ho an'ny vidin-tsolika sy ny teti-bola 2025...

Ny fianakaviana no sekoly voalohany ho antsika olombelona hatramin'ny fahaefa-taoantsika. Eo anivon'ny fianakaviana no manomboka ny fianarana ny fiainana : fitiavana, mandray ary mizara, fifandraisana amin'ny fiaraha-monina, fianarana fitsipika sy lalàna. Na efa mandeha mianatra any an-tsekoly aza ny ankizy sy ny tanora dia mbola mitoetra ny andraikitry ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...