Nandray anjara mavitrika tamin'ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny toe-karena eny ambanivohitra na ny FIER MADA andiany faha-25, natao teny Andohatapenaka ao Antananarivo renivohitra ireo fikambanana mandrafitra ny réseau SOA. Nanohana tamin'izany ireo mpiara-miombon'antoka samihafa toa ny FFF FAO. Afapo ireo tantsaha mpikamban'ny Réseau SOA nandray anjara tamin'ny tsenabe.

♦ Manana ny toerana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ankehitriny, i Madagasikara, ary mandroso ny fifandraisantsika amin'ny any ivelany, hoy ny Filoham-pirenena. Mitaky fotoana anefa ny ezaka atao hampamiratra an'i Madagasikara, hoy izy... ♦ Tokony ho olona tia tanindrazana sy mahafantatra ny olana iainan'ny vahoaka ary hitondra vahaolana momba izany, ireo Minisitra vao notendrena, hoy ny Solombavam-bahoaka Fetra Rakotondrasoa...

♦ Nijoro omaly ny Governemantan'ny Praiminisitra Ntsay Christian. Governemanta ahitana Minisitra miisa 27 ary Sekreteram-panjakana miisa roa... ♦ Manantena fidinana an-kianja ataon'ny mpikamban'ny Governemanta vaovao, mihaino ny vahoaka, ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Nifarana omaly ny Fihaonambe faha-11 ho an'ny Fifanarahan'i Nairobi. Fihaonana iraisam-pirenena natao tetsy amin'ny CCI Ivato...

Ny vavaka amin'ny Batemy dia vavaka miendrika fivalozana, fibebahana ary famelana ny ota. Ny Sakramenta ny Batemy dia iray amin'ireo Sakramenta 7 naorin'i Jesoa. Ny rano sy ny teny no maha Batemy ny sakramenta ny Betemy ka ny rano dia manome aina sady manadio, ny rano anefa dia famantaram-pahafatesana ihany koa. Ny Batemy dia fidirana ho anisan'ny fianakaviamben'Andriamanitra... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...