Boky voalohan’ny mpanjaka (1 Mpanj. 19, 9a. 11-16)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany antendrombohitr’Andriamanitra, tany Hôreba, i Elia,
dia niditra tao anaty zohy ka nandry tao.
Ary hoy ny Tompo taminy:
“Mivoaha ianao,
ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’ny Tompo,
fa indro handalo ny Tompo.”
Dia nisy rivotra be sady mahery,
nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy,
teo alohan’ny Tompo;
nefa tsy tao amin’ny rivotra ny Tompo.
Nanarakaraka ny rivotra, nisy horohoron-tany,
nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany ny Tompo.
Nanarakaraka ny horohoron-tany, nisy afo koa,
nefa tsy tao amin’ny afo ny Tompo.
Ary nanarakaraka ny afo, nisy fizozozozo malefaka sy malemy.
Ka raha nandre izay i Elia, nosaronany ny kapaotiny ny tarehiny,
ka dia nivoaka izy, ary nijanona teo am-bava zohy izy.
Dia injay nisy feo reny nankeo aminy, nanao hoe:
“Maninona aty ianao, ry Elia?”
Ary hoy ny navaliny:
“Feno hafanam-po ho an’ny Tompo Andriamanitry ny tafika aho,
fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely,
ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra,
izaho irery sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.”
Fa hoy ny Tompo, taminy:
“Mandehana amin’ny dianao indray ho any amin’ny efitr’i Damasy;
ka rahefa mby any ianao, hosory ho mpanjakan’i Siria i Hazaela,
hosory ho mpanjakan’i Israely i Jehoa, zanak’i Namsî,
ary hosory ho mpaminany handimby anao i Elisea, zanak’i Safàta,
avy any Abela Meholà.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 26, 7-8a. 8b-9abd. 13-14
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso!
Iantrao aho, ka valio!
Tadiavo ny Tavany, hoy ny foko mantsy Anao.
Eny, ry Tompo, tadiaviko ny Tavanao!
Aza afenina ahy, ny Tavanao!
Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao!
Ry ilay Mpitahy ô, aza manary!
Ry Andriamanitra Mpamonjy ô, aza mahafoy!
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny Tanin’ny Velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!
Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 27-32)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mijangajanga?’
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao,
dia esory izy ka ario lavitra anao,
fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao,
dia tapaho ka ario lavitra anao,
fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.Ary efa voalaza koa hoe:
‘Na iza na iza hisaotra ny vadiny, aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.’
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady,
afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy;
ary izay manambady ny voasaotra dia mijangajanga.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny fampihenàna ny fampiasàna arona sy fonosana plastika dia laharam-pahamehana ho an'i Madagasikara mba ahafahana miaro kokoa ny karazan-java-mananaina izay tokana sady sarobidy eo aminy. Noho izany dia mila ezaka bebe kokoa hatrany eo amin'ny haitaky amin’ny fampiharana ny lalàna 2017-010 ny 3 jona 2017, ny famporisihina ireo sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny famokarana vokatra vaovao sady maharitra mahasolo ny arona sy ny fonosana plastika, ary ny fanentanana ireo mpiray tanindrazana hirona bebe kokoa amin’ny fampiasàna ireo vokatra mahasolo ny plastika. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Hotanterahana anio manomboka amin'ny 10 ora maraina eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny lanonam-panokafana fankalazana ny fetim-pirenena sy ny fetin'ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Hampahafantarin'ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo anio amin'ny 10 ora maraina eny Tsimbazaza, ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitisana... ♦ Andro faharoa ho an'ny hairanty ho an'ny sehatra tsy mainkina misahana ny fahasalamana ny anio. Tanjona amin'izany ny fanatsarana ny fitsaboana...
Maro ny sakana mahatonga ny olona tsy ho afaka mivavaka. Misy ohatra ny fahajambana no manahirana azy, kanefa raha ny maso no nanahirana dia misy fomba hafa toy ny fampiasana ny sofina. Samy manana ny sakana tsy hahafahany mivavaka ny tsirairay ; mety ho olona no manakana, mety ho ny fotoana, na asa, na fahazarana sy fiankinan-doha amin'ny zavatra. Tsy mitovy ny hoe "kamo mivavaka" sy ny tsy manam-potoana. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco