♦ Namoaka hafatra ny FFKM noho izao fetin'ny Pantekôty izao. Voaresaka ao ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana amin'ny 29 mey... ♦ Manaitra ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana, handray ny andraikiny ny KMF/Cnoe amin'ireo fandikan-dalàna amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Be loatra ny olona matin'ny fiakaran'ny tosi-drà aty amin'ny tany andalam-pandrosoana. Miantso ny rehetra tsy hanao hatsirambina ny fitsaboana ho an'ireo manana tosi-drà ambony ny Fikambanana MAEVA... ♦ Efa tsy voafehin'ny fanjakàna intsony ny korontana amina kartie maromaro any Nouméa renivohitr'i Nouvelle Caledonie, noho ny toe-draharaha politika. Olona 5 ireo efa namoy ny ainy hatramin'ny omaly...
Tsy misy fakam-panahy miseho amin'ny endrika ratsy izany fa tsara sy manintona mandrakariva. Mila mandinika tsara ny tanora hiroso amin'ny fanambadiana, mety vokatry ny fakam-panahy mantsy izany fa tsy tena fitiavana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
18 mey 2024 — Sabotsy, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 20-25)
♦ Manaitra ny CENI sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana ny KMF/Cnoe, handray andraikitra amin'ireo fandikan-dalàna misy amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Fifidianana tsara omana, handraisan'ny rehetra anjara no antoky ny filaminana, hoy ny Filohan'ny CENI, tamin'ny fanokafana ny atrikasa fampiofanana ireo mpampiofana delegen'ny kandidà amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, teny Alarobia androany... ♦ Miteraka fahafatesana olona maro aty amin'ny tany andalam-pandrosoana ny fiakaran'ny tosi-dra ambony, raha ny tatitry ny OMS...
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco