♦ Tomefy mpitandro ny filaminana teny Analakely sy ny manodidina omaly, izay fanamarihana ny fetin'ny asa, tsy navela niditra teny amin'ny lapan'ny tanàna ireo sendika nanao hetsika... ♦ Nahatsiaro ho voasakatsakana ireo sendikalista nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena momba ny asa omaly. Voafetra mantsy ny toerana azon'ireo mpiasa naleha... ♦ Randrana sendikaly : tsy miraharaha ny mpiasa Malagasy ny fitondrana amin'izao, tsy laharam-pahamehana ho an'ny mpitondra ny mpiasa, izay mamokatra mampandroso ny firenena... ♦ Any Turquie, am-polony ireo mpanao fihetsiketsehana voasambotry ny mpitandron'ny filaminana tao Istambul nandritra ny hetsika fankalazana ny fetin'ny asa omaly 1 mey...

Tokony ho fadiana ny endrika fitiavana maloto. Ampanalaviro ny olona ratsy fanahy ny lalanao. Tsy izay rehetra mitory fitiavana dia ekena avokoa. Manimba zavatra maro ny tsy fahaizana mandanjalanja isan'izany ny toe-tsaina. Mety hamotika tsikelikely ny fifandraisana ny resaka kolo-tsaina. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

2 mey 2024 — Alakamisy, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-11)

Ny raim-pianakaviana takian'ny vanim-potoana ankehitriny dia lehilahy manam-panahy ; izany hoe manana finoana sy manompo an'Andriamanitra. Maro ny raim-pianakaviana dia saropiaro amin'ny fanaraha-maso ny zanany, ary mikendry ny hatafita ny zanany. Ny fahasahiranana sy ny asa fivelomana dia misy fotoana mampihena ny fahafahan'ny raim-pianakaviana manara-maso ny fianaran'ny zanaka sy ny fahasalamany. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...