28 marsa 2024 — Alakamisy Masina — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 1-15)

♦ Miisa 891 ireo Pachypodium na Vontaka tratra tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, saika hahondra an-tsokosoko any ivelany... ♦ Very hasina ny fierenena no sady afa-baraka, hoy ny Fikambanan'ny Zanaky ny Faritra Atsimo Atsinanana, manoloana ny antsojay mihatra amin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena amin'izao... ♦ Nahazo ivon-toerana "Centre Bébé Kangourou", hikarakarana manokana ireo zaza teraka tsy tonga volana sy tsy ampy lanja, ny hôpitaly eny Anosy Avaratra, Antananarivo Avaradrano...

♦ Mbola nitoetra ao amin'ny Kaominina Ampisikinana, Distrikan'i Vohemar, ilay Cyclone Tropical Gamane, tamin'ny 9 ora maraina teo. Mihatra hatrany ny filazana loza mitatao ho an'ny Faritra Diana sy Sava, na dia mihena aza ny heriny... ♦ Nisokatra androany ary haharitra 12 andro ny fandraisana ny antotantaratasy firotsahan-ko fidiana ho Solombavam-bahoaka... ♦ Hanao hetsika fanentanana hiantohana ny Paka hieren-doza amin'ity taona ity, ny fitantanana ankapoben'ny fiarovana ny loza an-dalambe na ny DSGR. Hiasa avokoa ireo ivon-toerana fitsarana fiarakodia manerana ny nosy, amin'ny faran'ny herinandro izao...

Ny zoma 29 marsa no fahatrsiarovana ny tolom-panafahana ny Malagasy. Manana anjara toerana lehibe ny vehivavy manoloana ny tolom-panafahana sy ny fitiavana tanindrazana. Tanjona ny hampahafantarana ny zava-nisy tamin'izany taona 1947 izany, ary manana adidy amin'izany ny vehivavy satria koa ny ao an-tokantrano no hiantombohan'ny fanabeazana ny taranaka. Nanomboka ny 6 Aogositra 1896 dia lasa zanan-tany frantsay isika. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...