Tsara ary ilaina ny mamboly hazo. Tokony atao ny fambolen-kazo izay tokony hanaraka ny fenitra ara-teknika mba hampahomby sy hatratrarana ny tanjona. Anjara biriky ny tsirairay amin'ny fikajiana ny tranobe iombonana ny fambolen-kazo. Ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin'ny fanjohina ny fambolen-kazo natao, ahafantarana ny vokatra azo. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Hitohy anio eny amin'ny Lapa Maitson'Anosikely, ny fanoloran'ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny fandaharan'asa ankapoben'ny fanjakana... ♦ Fandikan-dalàna no andikan'ny Minisitra teo aloha, ny Jeneral Tsaranazy Jean Emile, raha toa ka hampiarahana ny fifidianana eny anivon'ny kaominina sy ny Solombavam-bahoka... ♦ Tsy mety ho marin-toerana ny vidin'ny vary sy ireo entana ilaina andavanandro eny an-tsena...

Ampianaro ny taranaka : tsy mety ny mampianatra ny taranaka hamalifaty ; ezaho hatrany ny mampianatra ny taranaka hahay hizara. Isan'ny tombony ho an'ny zokiolona sy ny ray aman-dreny ny fahafahana mizara ny fahaiza-miaina. Izay manoro lalana mahitsy mampita aina. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

2 febroary 2024 — Ny nanolorana ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...