13 ôktôbra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)
♦ Mihemotra ho amin'ny 16 nôvambra 2023, ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena fihodinana voalohany, araka ny fanapahana navoakan'ny HCC... ♦ Nesorin'ireo Loholona miisa 15 tamin'ny toerana maha Filohan'ny Antenimieran-doholona azy, Andriamatoa Razafimahefa Herimanana... ♦ Tsy manaiky ny fanemorana ny fifidianana ny kandidà Andry Rajoelina, saingy tsy midika izany fa manohitra ny fanapahan-kevitry ny HCC ny tenany...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 1, 1-7)
Izaho Paoly, mpanompon’i Kristy Jesoa,
voaantso ho Apôstôly sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra,
— izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina,
momba ny Zanany (izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo,
ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan-ko velona
araka ny fanahin’ny fahamasinana),
dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay
mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana, amin’ny Anarany,
ary anisan’ireny koa ianareo, noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy:
— mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma,
izay olo-masina voaantsony:
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1-2. 3ab. 3de-4
Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy azy ny tanany havanana,
nanampy azy ny sandriny masina!
Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena.
Tsarovy, ry Tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany.
Zahao ry vazan-tany rehetra
ny famonjen’ny Andriamanitray.
Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo,
mientàna, mihobia sy miantsà.
Miantsà ny Tompo amim-baliha sy hira fiantsàna,
amin’antsiva sy feon’anjomara.
Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)
Tamin’izany andro izany,
nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazan’i Jesoa hoe:
“Taranaka ratsy itý taranaka itý;
mitady famantarana izy,
nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany.
Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva
no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’itý taranaka itý.
Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’itý taranaka itý
ny mpanjakavavy avy any Atsimo
amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy
hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto.
Hiara-mitsangana amin’itý taranaka itý
ny olona tany Niniva
amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny,
nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦Miantso ny tompon'andraikitra ny fifidianana mba hanao ny fomba hampizotra ny fifidianana araka ny tokony ho izy, tsy misy fitanilàna ny vaomieran'ny Eveka misahana ny rariny sy ny fandriam-pahalemana... ♦ Miantso fitoniana manoloana ny zava-misy ankehitriny ny filohan'ny antenimieran-doholona Herimanana Razafimahefa. Tonga teny amin'ny Lapa Anosikely nanokatra ny fivoriana tsy ara-potoan'ny loholona izy... ♦ Asa mitohy ny ady amin'ny valala. Afaka miatrika ny ady atao ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin'ireo Ministera hafa sy ny mpiara-miombon'antoka hoy ny Ministra Ramilison Harifidy...
• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco