31 aogositra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 24, 42-51)

♦ Kandidà valo amin'ireo hirotsaka hofidiana no namoaka fanambarana miaraka androany. Tsy afaka hirotsaka intsony ny Filoha ankehitriny, raha ny voalazan'ny lalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy, hoy izy ireo... ♦ Namoaka fehin-kevitra ny SECES androany, tao aorian'ny fivoriana nandinihana ny raharaham-pirenena. Nandroso soson-kevitra hanavotana ny firenena izy ireo... ♦ Tafakatra ho 161 ny medaly azon'i Madagasikara hatramin'ny androany, amin'ny Lalaon'ny Nosy tanterahana eto amintsika...

♦ Andro faharoa amin'ny fihaonambe nasiônaly tanterahin'ny FFKM, miaraka amin'ireo hery velona samihafa eto amin'ny firenena ny anio. Samy manana ny fahitany izany sy ny andrasany amin'izany ireo mpanao pôlitika... ♦ Nidera ny ezaka vitan'ny Ministra Edgard Razafindravahy amin'ny fampiroboroboana ny Indostria eto Madagasikara ny tompon'andraikitry ny IFC Madagasikara, izay sampan'ny Banky Iraisam-Pirenena... ♦ Fiforonana asa anarivony, fahazoana fotodrafitr'asa, fihatsaran'ny tontolo iainana, fandrosoana ara-tsôsialy no isan'ny tombontsoa azon'ireo mponina any amin'ny Kaominina ambanivohitra Mandoto tamin'ny fametrahana ny valan-java-boahary Madagasikarantsika...

♦ Raha voamarina sy hanana porofo ny famezivezena kandia amin'ny fifidianana filoham-pirenena, amin'ny fikarakarana tartasy eny amin'ireo sampandraharaham-panjakàna isan-tsokajiny dia hisy ny fandraisana fepetra nifandraika amin'izany hoy ny filohan'ny HCC... ♦ Ny ahafahan'ny Malagasy mifampiresaka sy mifampihaino manoloana ny olana misy eto amin'ny firenena no isany tanjona amin'ilay fihaonambe karakarain'ny FFKM eny Mandrimena mandritra ny telo andro nanomboka omaly... ♦ Hampihemotra ny mpandraharaha vaventy maniry hampiasa vola eto amintsika ny tsy mbola firosoan'ny fitondram-panjakàna amin'ny fanomezana ny fahazoan-dalana hitrandraka harena ankibon'ny tany, hoy ny FOM...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...