♦ Hanampy an'i Madagasikara amin'ny ady amin'ny kolikoly, amin'ny fanondranana bibidia ary amin'ny famotsiam-bola, ny "application" vaovao manamora ny fikarohana ireo andinin-dalàna, hampiasaina amin'ny finday sy solosaina, tetik'asan'ny USAID... ♦ Hotanterahina any Menabe amin'ny fiandohan'ny volana aogositra ny fihaonam-be iraisam-paritra, hampanjakàna ny fandriampahalemana, handraisan'anjaran'ny any Vakinankaratra, Menabe, Bongolava, Atsimo-andrefana, karakarain'ny mpitandro ny filaminana... ♦ Efa nisy ireo olona voasambotra tao Morondava momba ny fiparitahan'ny laza adina bacc...
♦ Hihatsara sy hiitatra amin'ny sehatra maro ny fiaraha-miasan'i Madagasikara sy Chine. Taorian'ny fandraisan'ny repoblika ny delegasiôna sinoa avy amin'ny antoko PCC, dia noraisin'ny filohan'ny antenimieram-pirenena ihany koa izy ireo omaly... ♦ Nahatratra hatrany amin'ny 81,25%-ny Malagasy tokony hifidy no voasoratra anatin'ny rejistry ny fifidianana, izay nampahafantarin'ny CENI omaly, fa ho ampiasaintsika amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena izao... ♦ Haingana kokoa sy ahitana vokatra mivaingana ny famokarana, hiarahan'ny kaoperativa any ifotony manatanteraka, ka anton'ny nanavaozana ny lalàna mifehy ny orinasa kaoperativa. Omaly isika no nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny kaoperativa...
Misy ny asa nankinin'Andriamanitra tamin'ny olombelona, araka izay voasoratra ao amin'ny Jenezy : mba hiasa sy hiandry ny sahan'i Edena. Ny olombelona dia voaatso amin'ny asa : manatanteraka, hanompo ny zava-boahary, mitahiry ny asan'Andriamanitra mba tsy hiova ary tsy hisy tomika ny sahan'ny Edena. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
22 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco