♦ Ny mpanohitra no tena tiana ho kendrena amin'ilay fanambaran'ny Minisitry ny Atitany, tsy afahana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana intsony, hoy ny antoko Vahoaka Miray. Nambaran'ny VAMI fa manitsaka ny Lalam-panorenana sy ny lalàna velona, iny fanambarana iny... ♦ Handrotsaka ampaham-bola hamatsiana ny IETI ny fitondrana malagasy. Tanjona ny hirosoana tsikelikely ho mpikamban'ny IETI iraisam-pirenena, hisian'ny mangarahara amin'ny sehatry ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany... ♦ Misaona ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena. Nodimandry tampoka omaly i Liva Andriamananjara. 34 taona monja izy, izao nondaosin'ny fahafatesana izao...
Araka ny finoan'ny Malagasy dia mandeha ary mifindra any Ambondrombe ny fanahin'ny olombelona iray aorian'ny fahafatesana. Ho an'ireo foko any amin'ny faritra atsimo toa ny ao Amboasary-Atsimo, Bekily, Ejeda, Ambatomika dia misy ny atao hoe "mifoha maty" io ilay fantatra amin'ny hoe "maty im-pito" ; amin'ity tranga-piainana ity dia tsy misaraka amin'ny vatana ny fanahy. Ny teny malagasy dia vata fitehirizana ny soatoavina,ny fahendrena, ny kolontsaina ary ny riba. Ny "Ho" tia mariky ny filazam-potoana ho avy ; hatambatra amin'ny teny manaraka azy raha toa ka matoanteny fototeny no hialohavany. Fandaharana "Filira" sokajy "Fitsipika" iarahana amin'ny Foibe momba ny teny, ny Akademy Malagasy...
♦ Hisy ny hetsika fisorohana ny lozam-pifamoivoizana amin'izao ankatoky y fetin'ny Paka izao. Manao hetsika fanentanana amin'ireo toby fiantsonana samihafa nanomboka omaly ny Ministry ny Fitanterana sy ny Ministry ny Filaminam-bahoaka... ♦ Olona manana toe-tena varira miisa 07 no nisy naka ankeriny hatramin'ny fiandohan'ity taona 2023 ity, raha ny tatitry ny Fikambanana Albinos Madagascar. Efa mba nihena ny fanilikilihana azy ireo eo anivon'ny fiaraha-monina... ♦ Mpianatra avy amin'ny Oniversitem-panjakàna miisa 03 eto Madagasikara no niara-nanao fitokonana omaly. Nanao hetsika filanjàna sora-baventy avokoa izy ireo, mitaky ny vatsim-pianarana miampy fampitaovana 05 volana tsy voaloan'ny Fanjakàna...
Manana zo hanohitra ny olona iray. Misy karazana 2 ny fanoherana dia ny fanoheran'ny tsirairay sy ny fanoheran'ny vondron'olona ; ohatra hoe mbola tsy vita ny fifidianana dia efa manohitr. Manana zo hanohitra amin'ny anaran'ny konsiasa na ny feon'ny heritreritra ny tsirairay. Ohatra : Rehefa mahakasika ny aina toy ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco