Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...

• Mitohy ny dingana amin'ny fikarohana ny sambo AW. Arahanao ato amin'izao vaovao izao ny fanazavan'ny Tale Jeneralin'ny APMF... • Navoaka ofisialy, androany maraina tety Ivato, ireo mpianatra miisa 132 nanaraka fiofanana tao amin'ny Centre de Formation Technique Marie Auxiliatrice na CFPT... • Olom-boafidy be asa fa kely tombontsoa, raha oharina amin'ny olom-boafidy hafa, ny Ben'ny Tanana...

Ny fotoana maha zatovo dia fotoana tsy maintsy lalovana ary fiolahana lehibe eo amin'ny fiainana satria fotoana mety hanaovana fitondrantena mety hitondra voka-dratsy eo amin'ny fahasalamana sy ny fiainana manontolo. Eto Madagasikara, miaina ao anaty tontolo tsy ahazoany fahasalamana ny tanora, mitontongana ny toekarena, ny fanabeazana, ny fiahiana ny ara-pahasalamana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Aza ariana ny mpanao gazety fa vavahady fakam-baovao itokisan'ny vahoaka, hoy ny Dr Manitra Rakotoarivony, manoloana ny vaovao mifamahofaho momba ny fahapozinana ara-tsakafo... • Nanome ny toky ireo solontenan'ny mpiasan'ny Jirama, izay nihaona taminy, ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, fa mijanona ho orinasam-panjakana 100 % ny Jirama... • Tsy afaka hitazana fotsiny manoloana izao fahoriana manjo ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izao ny Mpitandrina Avotra ho an'ny Firenena na ny MAFI. Hanatanteraka hetsika tsy misy politika eny Analamahitsy izy ireo anio...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...