Ny vondron'olona ihany koa dia tokony hiaina ao anatin'ny fahaizana mandanjalanja. Ilaina toe-po sy toe-piainana izany ka isan'ireny : finoana sy fiainam-bavaka, faharesen-dahatra, fahavononana hifandray amin'ny hafa. Ireto no dingana tokony harahina : famelomana ny vondron'nyy fiainam-pinoana amin'ny vavaka, mametraka ny fahaiza-mihaino ny hafa... Katesizy momba ny fanomezam-pahasoavana fahaizana mandanjalanja, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alahady 30 ôktôbra 2022 — Alahady Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 1-10

Ny pesta dia aretin'ny voalavo mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny parasy, na amin'ny alalan'ny piti-droran'ireo olona mararin'ny pesta, na amin'ny alalan'ny fikirakirana ireo biby mitondra ny aretina na mararin'ny pesta. Ny vanim-potoana mampirongatra ny pesta dia eo anelanelan'ny volana avrily hatramin'ny desambra anefa mety hitranga mandavan-taona ihany. Ny pesta atoditarimo dia mihombo ao anatin'ny 1 hatramin'ny 7 andro, ny pesta areti-tratra dia mety ho ao anatin'ny 24ora, ary ny pesta septisemika dia fotoana fohy. Fisorohana : fanadiovana ny manodidina, sy manoana voalavo. Ny aretina pesta dia aretina tsy maintsy ambara...

♦ Mitohy androany etsy amin'ny CCI Ivato ilay fikaonan-doham-pirenena momba ny fampiasam-bola ho an'ny fisandratan'i Madagasikara. Maro ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpisehatra amin'ny fampandrosoana momba ny PEM... ♦ Mpitandro filaminana iray no namoy ny ainy omaly, vokatry ny tifitra nataona jiolahy nanao fanafihana mitam-basy tany Toamasina. Nitifitra ireo mpitandro filaminana tao anaty fiara ireo mpanafika tamin'izao tranga izao... ♦ Hiatrika ny lalao miverina amin'i Panthers any Gabon ny Barea latsaky ny 23 taona. Nampanantena ny hanome ny tsara indrindra eo aminy ireo mpilalao sy ny staff-technique amin'ny fihaonana anio hariva...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...