06 ôktôbra — Fianakaviana andriana no nipoiran'i Bruno. Teraka tao Cologne teo anelanelan'ny taona 1030 sy 1035 izy io. Nanomboka nianatra tao amin'ny Kôlejy Saint-Cunibert izy tao amin'ny tanana nahaterahany, avy eo nandalina ny filôzôfia sy teôlôjia tany Reims sy tany Paris.

Ireto avy ny hatsaram-panahy ilaina amin'ny tsirairay ao amin'ny fianakaviana mba hahafahana mifampiresaka : fahatsorana, mahitsy fo, tsara sitrapo, tia, mahazo ny hafa, mahay mihaino, mahay mangina, mahay mihaiky fa diso ary mahay mamela ny hadisoan'ny hafa. Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.

Alakamisy 6 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 5-13

♦ Nanakoako manerana ny nosy androany, ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Mpampianatra... ♦ Tsy ho vita ao anatin'ny telo volana ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy, hoy ny antoko SFDM. Nambaran'ny filohany fa fohy loatra ny fe-potoana hanoratana ny anaran'ny olona maherin'ny 14 tapitrisa ao anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Tsy hihemotra amin'ilay fitokonana fampikatsoana ny raharaham-pitsarana rahampitso, ny Sendikan'ny Mpiraki-draharaham-pitsarana eto Madagasikara. Mandrangaranga "recquisition", ety ankilany, ny minisitra mba hanohizan'izy ireo ny asany...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...