♦ Fahadisom-panantenana goavana ho an'i Madagasikara ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny samy mpitondra Malagasy, tamin'ny latsa-bato natao tany amin'ny Firenena Mikambana, hoy ny RDS, tarihin'Andriamatoa Rakoto Andrianirina Fetison... ♦ Tamberin'andraikitra andrasan'ny vahoaka amin'ny Solombavam-bahoaka ny fitondrana ny tenin'izy ireo sy ny fanaraha-maso ny asan'ny mpanatanteraka, hoy ny Solombavam-bahoakan'i Tsiroanomandidy, Ramaherijaona Haja... ♦ Tratra hatrany amin'ny 90% ny tanjona napetraka tao anatin'ilay tetikasa "Ping pour tous à Tana"...
Tsy fahatomombanana eo amin'ny tarazo no maha varira, ary manaranaka. Olombelona toy ny olombelona rehetra ihany anefa izy ireny, fa manana faharefoana ara-pahasalamana manokana ary tsy manana hery miafina tokony hamonoana azy ireo, fa fiarovana azo no ilainy.
♦ Nitondra fampitam-baovao momba ilay tanana kely iray ao amin'ny Fokontany Ambohitrimarofotsy, Kaominina Marotsipoy any amin'ny Distrikan'Ankazobe, voalaza fa nodoran'ny zandary, ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Mitaky ny hampiharana ireo lalana nolanian'ny Antenimiera mpanao lalana, ny Loholona MMM, izay manao tatitra amin'ny mpifidy vaventy... ♦ Nihemotra amin'ny fotoana mbola tsy voafaritra ny fotoam-pitsarana an'Andriamatoa Rakotomalala Marcel, izay voarohirohy amin'ny resaka vola sandroka teny Alasora...
21 ôktôbra — Misy Céline roa no tsaroana ny 21 ôktôbra. Teo i Masimbavy Céline de Laon, renin'i Masindahy Rémi. Ary eo koa i Masimbavy Céline de Meaux, virjiny.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco