♦ Nifarana androany tamin'ny 3ora maraina ny fihaonana teo amin'ny antenimieram-pirenena sy ny mpikambana ao amin'ny governemanta. Ny loholona indray no handray azy ireo amin'ity anio ity... ♦ Nitrangàna fanafihana niampy fanolanana renim-pianakaviana niafara tamin'ny fahafatesana tao Ambohibary-Ambohimanga distrika Miarinarivo... ♦ Niverina nitokona indray noho ny tsy fandraisana karama ny mpandraharaha eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo... ♦ Miisa 4,7 tapitrisa ny mponina voakasika ny tondra-drano any amin'ny faritra Assam any Inde...

Mila ny fiainam-piaraha-monina ny olombelona, efa voajanahary izany. Eo amin'ny fiainam-piaraha-monina no hahitana ny fifampizarana amin'ny hafa, fifanampiana amin'ny asa ary ny fifanankalozan-kevitra. Ny sehatra ahafahana mampivelatra ny talenta dia ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 30 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 1-8

♦ Maty vokatry ny fanolanana sy ny tsindron'antsy nahazo azy, nandritra ny fanafihana, ny renim-pianakaviana iray, tany Ambohibary Ambohimanga, Kaominina Mandiavato, Distrikan'i Miarinarivo. Mbola manahy amin'ny valifatin'ireo jiolahy ny fianakaviana voatafika... ♦ Nampitandrina amin'ny mety handraisan'ny Solombavam-bahoaka andraikitra manoloana ny olan'ny angovo, ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena... ♦ Ny zotram-piaramanidina miainga eto Madagasikara mankany Dubai hatramin'izao, no tena ahiana hisian'ny fanondranana harem-pirenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...