♦ Tsy tratra hatramin'izao ny tanjona tamin'ny tolona 13 mey 1972, izay feno 50 taona katroka amin'ity taona ity, hoy ny mpikambana ao amin'ny hetsika 13 mey, izay hanamarika izany... ♦ Mihoa-pampana ny vola ampiasain'ny  kandidà filoham-pirenena sy ireo mpanohana azy mandritra ny fampielezan-kevitra, ka namolavola tolo-dalana iray entina hamerana ny fandaniam-bola amin'ny fampielezan-kevitra ny solombavambahoaka Razafitsiandraofa Brunelle... ♦ Mitentina 7 tapitrisa Euro ny famatsiam-bola avy amin'ny AFD hanatanterahana ny tetik'asa KOBABY. Kaominina miisa 26 ao amin'ny Faritra Diana no voakasiky ny tetik'asa...

Ny antony anaovan'ny olona dokotera tena dia  noho ny toeram-pitsaboana lavitry ny toeranam-ponenana, eo koa ny tsy fahampian'ny fahefaha-mividy, eo koa ny fiparitahan'ny  fanafody eny amin'ny toerana tsy natokana hivarotana ireny fanafody ireny. Ny olona manao dokotera tena dia ireo izay mamaritra ny fototr'aretiny samirery. Manosika ny olona hanao dokotera tena ihany koa ny toetran'ireo mpiasan'ny tobim-pahasalamana. Mahasarotra ny fitsaboana ara-medikaly ny fanaovana dokotera tena satria mety efa zary fahazarana raikitra ho an'ny vatan'ilay marary ny fanafody heverina hanasitra aretina, noho ny fihinanana fanafody be loatra tsy nahazoana toromariky ny mpitsabo... Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.

♦ Niaiky ny fahadisoany tsy nandray ny andraikitra teto amin'ny firenena hatramin'izay ny mpiasam-panjakana ambony, ary nilaza fa vonona hanarina ny firenena... ♦ Tsy tanteraka indray ny fangatahana fivoriana mikaton-trano faharoa nokasain'ny solombavambahoaka sasany notanterahana omaly... ♦ Kendrena ho vita alohan'ny 2023 ny lalambe migodana voalohany eto Madagasikara. Hiainga anio ho any Ejipta ny Ministry ny asa vaventy hanomana ny fanantanterahana izany...

Ny atao hoe "soa iombonana" dia ny fitambaran'ireo tontolom-piaraha-monina hahafahan'ny vondrona na ny tsirairay ao aminy mahatratra ny fahalavorariany amin'ny fomba feno kokoa sy mora. Ny soa iombonana dia sady an'ny besinimaro no an'ny isam-batan'olona. Ohatra : toe-karena, politika, kolontsaina. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...