♦ Hafampana ny ao an-drenivohitra ny sabotsy izao. Misy andian'olona, ahitana fikambanana, sendika sy vondrn'antolo pôlitika no mandrahona hidina an-dalambe, hitaky ny fialan'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo... ♦ Mitaky ny hampitomboana ny vola fisotroan-drononon'ny miasa ao anatin'ny 100 andro, amin'ny Tale Jeneraly mpiosolo toerana eo anivon'ny CNaPS ny Randrana Sendikaly. Mila mampiseho fahombiazana amin'ny fitantanana ny volan'ny mpiasa io mpitantana io, hoy izy ireo...

♦ Nisitraka famatsiambola 100 tapitrisa Dolara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena hanatsaràna ny tontolon'ny fahasalamana i Madagasikara, famatsiambola tsy averina ny 50 tapitrisa Dolara... ♦ Notoloran'ny governemanta amerikana 5 tapitrisa Dolara amin'ny alalan'ny USAID hanohanana ireo olona niharam-boina tamin'ny rivo-doza tany amin'ny faritra atsimon'ny nosy i Madagasikara... ♦ Hifarana rahampitso ny fotoana ahafahan'ny oniversite mifidy izay ho filohany. Ho an'ny eto Antananairvo androany no notanterahana ny fifidianana ary ho fantatra anio hariva ny vokany raha tsy misy ny fihovana...

♦ Voatendry ho tale kabinetra sivily eny anivon'ny fiadidiana ny repoblika, mandimby an-dRamatoa Lovahasiniriana Ranoromaro lasa talen'ny serasera Ramatoa Baomihavotse Vahinala Rahariniriana, ministry ny tontolo iainana teo aloha... ♦ Nidina an-dalambe naneho ny alahelony sy ny hatezerany ny mpianatry ny EN3 Ampefiloha Oniversite Antananarivo. Tsy mbola nahazo ny vatsim-pianarany 5 volana... ♦ Hanamafy ny fiaraha-miasa hanabeazana ireo ankizy voafonja ny ministeran'ny Fitsaràna sy ny UNICEF, resaka nivoitra nandritra ny fitsidihan'ny solontenan'ity farany eto Madagasikara tao amin'ny Ministry ny Fitsaràna...

Ny antony fahatelo mahatonga ny fahantrana eto Madagasikara dia ny kolikoly sy ny tsy fanarahan-dalana. Ny kolikoly dia mampihemotra ny sehatra tokony handroso, ohatra amin'ireny ny fandraisana mpiasa amin'ny sehatry ny asam-panjakana dia ny manam-bola no tafiditra fa tsy ny mahay. Ny tsy fanarahan-dalana ihany koa dia mampikorosy ny firenena toy ny tsy fandoavan-ketra. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...