Ny tsirairay no tompon'andraikitra voalohany hiaro ny fahasalamany vao ny hafa. Ny fifampizarana androany dia natao ho fampahafantarana sy fanampiana ny vehivavy hiaro ny tenany amin'ny aretina. Misy ny soatoavina kristiana tokony hiainana ka ny fivadihana amin'izany eo amin'ny lehilahy na vehivavy, na zatovo, na tanora, na lehibe dia miafara amin'ny tsy fahasalamana na ho ela na ho haingana ary mety miafara amin'ny fahafatesana ara-batana sy ara-tsaina na ara-panahy mihitsy...
♦ Andro faharoa amin'ny famindram-pitantanana ataon'ireo Minisitra teo aloha amin'ireo Minisitra vao notendrena ny anio. Mbola nisafidy ny tsy haneho hevitra momba ireo raharaha mafampana eny anivon'ny Fitsarana ny Minisitra Rakotozafy François omaly, teny Faravohitra... ♦ Tsy manantena fiovana amin'izao endriky ny Governemanta nasiam-panitsiana izao ny antoko TIM, izay efa niantso amin'ny tokony hanaovana fitsipaham-pitokisana ny Governemantan'ny Praiminisitra Ntsay Christian...
Ny votoatinny : Nampitandrina ny Ansiklika, nanohitra ny fanosihosena ny fahafahan'ny olona hanorina fikambanana ary nantitranteriny ny foto-kevitra momba ny firaisan-kina sy ny fiaraha-miasa. 40 taona no nanoratana ny Rerum Novarum, nisy ny krizy ara-toekarena ny taona 1929. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Zoma 18 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43. 45-46
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco