♦ Tombontsoa ambonin'ny firenena no nametrahana ny Governemanta vaovao, hoy ny Praiminisitra, manoloana ny fanovana ireo minisitra sasany... ♦ Tsy nanatrika ny famindram-pahefana teo anivon'ny Minisisteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany ny Minisitra teo aloha, Hajo Andrianainarivelo... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany ny Federasiôna Sport Boule Malagasy, herinandro tao aorian'ny vaovao niparitaka fa voasazy ny taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara...

♦ Mitondra ny anjara biriky amin'ny fanohanana ny tanora ho lasa mpandraharaha amin'ny asa famokarana eny ambanivohitra ny Tambazotra SOA. Notolorana fitaovana entiny miatrika ny tetik'asany ny tanora ao Antanetibe-Mahazaza... ♦ Miditra amin'ny andiany faha-18 ny fiofanana sahanin'ny Friederich Ebert Stiftung ho an'ireo tanora maniry ho lasa mpitarika, niisa 24 mianadahy tamin'ity andiany ity... ♦ Hankalazaina amin'ny 23 marsa ny andro eran-tany ho an'ny toetry ny andro, hanamarika izany isika eto Madagasikara...

♦ Mila tanterahana ny velirano, na teo aza ireo tranga tsy ampoizina, hoy ny filoham-prenena tamin'ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta vaovao... ♦ Takian'ny Randrana Sendikaly ny ampitsaharana ny famoaham-bola tsy amin'ny antony ao amin'ny CNaPs. Takian'izy ireo ny hamerenana ny volabe nanenjehana ireo tompon'andraikitra ao amin'ny CNaPs... ♦ Mandrahona hitokona ny sendika SPATUT Antananarivo raha tsy azo ao anatin'ny roa andro ny tambin-karamany...

Ny votoatinny : Miresaka momba ny mpiasa, indrindra ireo mpiasa amin'ny indostria noho izy ireo difotry ny fahantrana tsy hay leferina ; fitakiana zo : zo hanan-javatra manokana, zon'ny osa, hasin'ny mahantra sy ny adidin'ny manan-katao. Nitaky fomba vaovao sy fandraisana andraikitra ho an'ny Eglizy.  Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...