♦ Mahatsapa tsindry ataon'ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalana amin'ny asam-pitsarana ireo mpitsara. Nasongadin'ny Filoha vaovaon'ny Sendikan'ny Mpitsara izany, nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Filoha teo aloha, androany... ♦ Mimenomenona ny Sendikan'ny Polisy, SEFPONAM, manoloana ny nampiasana ireo Polisy sasany hanala tsikafona sy nisokitra tatatra tao an-drenivohitra, farany teo. Nilaza ho naharay fitarainana maro avy amin'ny Polisy nandray anjara tamin'izany ity sendika ity...

♦ Miisa 5 ireo traboina teto an-drenivohitra no voamarina fa mitondra ny tsimok'aaretina Coronavirus. Efa mahazo ny fitsaboana sahaza azy izy ireo... ♦ Vita ny asa fametrahana ny toby famokarana herinaratra azo avy amin'ny rano ao Farahantsana Mahitsy. Hanomboka tsy ho ela ny andrana ara-teknika hampiodinana izany toby vaovao izany... ♦ Manara-maso akaiky momba ny hetra aloa amin'ny trano ao an-drenivohitra ny vaomiera misahana ny fanjakàna tsara tantana ao amin'ny kaominina Antananarivo-Renivohitra manoloana ny fitarainana samihafa...

♦ Misokatra ho an'ny fiarabe mpitatitra entana ny lalam-pirenena faharoa. Vita omaly ny tetezam-by ao Ambarolava-Moramanga, nijery ny asa ny filohan'ny Repoblika... ♦ Tafiakatra 41 ny isan'ny maty teto amintsika nandritra ny fandalovan'ny andro ratsy farany teo. Mbola mitoetra ho an'ny lemak'Antananarivo ny filazana loza mitatao... ♦ Natsahatry ny zandary ny fampiofanana ao amin'ny sekoly ambonin'ny Zandarimaria ao Moramanga, nalefa nanampy ny vahoaka ny mpianatra...

Miankina amin'Andriamanitra miantso "ny antson'Andriamanitra". Mifampiakina amin'ny fifandraisan'ilay voaantso sy Andriamanitra ; mila olona hanampy izy hamaly ny antso henony. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...