♦ Mitaky ny hametrahana ny Vaomieram-pifidianana mahaleo tena sy Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana tsy mitanila ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, Filohan'ny RMDM... ♦ Mbola tsy hita hatramin'izao ny kapitenin'ilay sambo rendrika tany amin'ny fari-dranomasin'i Soanierana Ivongo ny 20 desambra lasa teo. Loza izay namoizana ain'ilona 80 mahery... ♦ Voahazona am-ponja vonjimaika any Bénin kosa Andriamatoa Arizaka Raoul, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza. An-dalana ny fampodiana azy eto Madagasikara...
♦ Ahoana no nandraisana ny taona vaovao sy ny votoatin'ireo firarian-tsoa nifanaovana tamin'izany ? ♦ Famantarana sy ny fomba iainana ireo soatoavina kristianina mandritra ity taona ity.
♦ Niarahaba ny Filoham-pirenena noho ny fahatratrarana ny taona vaovao ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin'ny FFKM... ♦ Nihaona tamin'ny solontenan'ny Masoivoho frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, ny Vondrona Panorama. Mangataka fanampiana hisian'ny lalam-pifidianana tsy azon'ny mpitondra ovaina araka izay mahamety azy, izy ireo... ♦ Manao fanadihadiana manokana momba ny firehetana nitranga tamin'ny milina mamokatra herinaratra tao Andekaleka farany teo, ny Minisiteran'ny Fitsarana...
Mitaky fandaminana sy fifampifehezana tahaka ny amin'ny fiaraha-monina rehetra ny fiainan-drelijiozy, mila mpandrindra, mitaky fanekena. Ho an'ny relijiozy, ny fanekena dia sitrapon'Andriamanitra ; hoy i Md Paoly : " aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana ara-panjakàna...". Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco