♦ Arakaraky ny fahombiazan'ny asan'ireo ministra sy ny praiministra no mety hisian'ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta, eny anivon'ny antenieram-pirenena, na tsia... ♦ Nanasa ireo tsy mitovy hevitra aminy, hitory eny amin'ny fitsarana ny ben'ny tanàn'Antananarivo Naina Andriatsitohaina, raha mahita tsy fanarahan-dalàna izy ireo, ny amin'ny orinasa SMGD... ♦ Nihazo ny teny amin'ny MinSanté Ambohidahy omaly ireo sendikan'ny mpiasa mpandraharahan'ny fahasalamana, nanentana ny hafa hitokona...

Ny fiadanana dia tsy maintsy aorina ao amin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny fitiavana sy ny fahamarinana. Tsy maintsy toherina ny "ady" satria tsy vahaolana fa maika aza miteraka olana hafa. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alakamisy 31 marsa 2022 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 31-47

Ny Papa François dia nosalorana ny anarana hoe mpamafy fiadanana. Miandrandra fiadanana ny vahoaka malagasy. Toetra maneho ny maha andriamanitra an'Andriamanitra ny fiadanana. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...