♦ Hanohy fitsaboana eto Antananarivo ny SEG sy ny mécanicien. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olona roa hafa... ♦ Tafakatra 36 ireo mpandeha hita faty tao anatin'ilay sambo Francia, rendrika tany Antsiraka... ♦ Nametraka fanambaram-pananana teny amin'ny HCC ireo mpikambana ao amin'ny CENI, androany...

♦ Velon'aina ny roa tamin'ireo mpandeha efatra tao amin'ilay angindimby nianjera tany amin'ny ranomasina manakaiky ny distrikan'i Fenoarivo Atsinanana omaly hariva. Anisan'ireo avotra ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zadarimariam-pirenena, rehefa nilomana adiny roa ambin'ny folo... ♦ Nampangaina ho mpanao pôlitika ny vovonam-pikambanan'ny tantsaha manohitra ilay volavolan-dalana mifehy ny fananan-tany. Mitondra fanazavana ny tompon'andraikitra...

Tamin’izany andro izany, nony vita ny vakinteny nataon’i Jesoa tao amin’ny bokin’i Izaia Mpaminany, dia nifantoka tany aminy avokoa ny mason’ny olona rehetra tao amin’ny sinagôga, ka dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: "Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany". Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo: "Tsy ny zanak’i Jôsefa va ity?" Ary hoy kosa i Jesoa taminy: "Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: ‘Dokotera, sitrano aloha ny tenanao’. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa". Dia notohiziny hoe: "Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa, fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sarepta any amin’ny tany Sidôna ihany; ary be koa no boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany". Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy dia lasa.

Tamin’izany andro izany, ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe: "Efa azon’i Belzeboba Izy, ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony." Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe: "Hataon’i Satàna ahoana no fandroaka an’i Satana? Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany; ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany: koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny. Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery sy mandroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony. Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay. Satria hoy izy ireo hoe: manana fanahy maloto Izy."

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...