♦ Ho fantatra anatin'ny filan-kevitra manokan'ny ministra anio, ny fanapahan-kevitra ho raisina mikasika ny Covid-19 eto Madagasikara... ♦ hiroso amin'ny fanasaziana amin'izay ny eo anivon'ny prefektioran'Antananarivo ho an'ireo izay minia tsy manaja ny fepetra sakana tsy hiparitahan'ny valan'aretina Covid-19... ♦ Tsy nanjavona akory fa mbola mitohy ny raharaham-pitsaràna mikasika ilay fanondranana antsokosoko volamena milanja 73,5kilao, tratra tatsy Afrika-Atsimo hoy ny tale jeneralin'ny fadintseranana...
Manampy antsika handalina ny mikasika ny fiofanana ho mpandraharaha masina ny dinika nifanaovan'ny Pape François tamin'ireo miaina ny fanokanan-tena manokana teny Amparibe, ny harivan'ny alahady 08 septambra 2019. Nivohitra tamin'zany ny famporisihina azy ireo hanahaka an'i Kristy, indrindra amin'ny fitiavana ny mahantra sy ny vavaka. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alarobia 15 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela: vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 19-23
♦ Nitokana ny asa-panitarana sy ny fanatsarana ny sampana vonjy aina tao amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona androany, ny Filoham-pirenena... ♦ Nanomboka androany ary haharitra hateloana ny Kôngresy Nasiônali'ny SECES. Hotanterahana mandritra izany ny fifidianana ny Birao Nasiônaly... ♦ Nanambara ny Tale Jeneralin'ny Fadin-tseranana fa mbola mitohy ny raharaham-pitsarana ny volamena 73kg mahery, tratra tatsy Afrika Atsimo...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco