♦ Marobe ny basy tsy ara-dalàna mifamoivoy any anatin'ny fiaraha-monina any eto Madagasikara. Omena iray volana, nanomboka omaly, ireo izay manana izany, mba hanatitra azy ireny eny amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana, tsy misy arakaraka... ♦ Litchis hatrany amin'ny 16 000 taonina no ho aondran'i Madagasikara any ivelany amin'ity taona ity. Misokatra ôfisialy anio ny fotoam-piotazana ho an'ny faritra atsinanana... ♦ Nomena vahana ao amin'ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2022 ny lafiny sôsialy, ary tsapa fa saika niakatra avokoa ny teti-bola natokana ho an'ny ministera tsirairay...

Misy olana amin'ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka noho izy ireo avy amin'ny vanim-potoana samihafa. Ny 20 novambra no andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny ankizy ; Madagasikara dia isan'ireo nanao sonia sy nankatoa io zo io. Ny fampisitrahana io zon'ny ankizy io dia miainga amin'ny ankohonana, betsaka anefa ireo izay minia tsy halala izany zo izany. Diso ao amin'ny fampitahana ny zava-misy ankehitriny sy ny taloha ny ray aman-dreny, ary ankilany anefa dia tsy voatery hitovy ny zava-misy amin'ireo vanim-potoana roa ireo. Tokony hifandray sy hirindra ny fifampiresahana, ny fifampihainoana, fifankahazoana, fandanjalanjàna ny tranga rehetra...

♦ Misy ny simenitra eto Madagasikara fa ny mpanararaotra no betsaka, ka tsy maintsy nanafatra simenitra ny fitondrana, hanamaivanana ny fahasahiranan'ny vahoaka, izay efa ao Toamasina... ♦ Hiakatra fampanoavana ny raharahan'ilay polisy namono lehilahy nitrotro zazakely, teny Miandrarivo Ambanidia, izay niteraka resabe tao amin'ny FB omaly... ♦ Maherin'ny 1 500 000 ireo ankizy latsaky ny 5 taona mamoy ny ainy isan-taona vokatry ny fahalotoan'ny tontolo iainana, raha ny tatitry ny OMS...

♦ Polisy nanao herisetra teny Ambanidia, ao Antananarivo Renivohitra. Nanameloka iny tranga iny ary nitaky ny hisian'ny fanadihadiana ny CNIDH... ♦ Ao anatin'ny fotoam-pahavaratra ny eto afovoan-tany. Handray fepetra momba ireo olona mipetra amin'ny faritra nametrahaha saina mena eny Manjakamiadana sy ny manodidina ny BNGRC...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...