Maika ny iraka hampanaovin'Andriamanitra antsika fa amin'ny maha iraka azy dia tsy misy tambiny, ohatra ny andraikitra eo amin'ny fiangonana. Misy lafiny afaka miaraka ny "antso sy ny asa" fa misy sehatra hafa tsy mampety izany. Ny asa sy ny antso dia samy tsy azo atao ambanin-javatra satria tsy maintsy mivelona isika. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

♦ Vakisiny fanefitry ny Covid-19 Sinopharm telo hetsy daozy indray no tonga teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, androany tolakandro... ♦ Nosokafana androany tamin'ny 5 ora tolakandro tamin'ny alalan'ny fihaonana ampitain-davitra ny Sekoly momba ny Fifandraisana, karakarain'ny Dicastère misahana ny Fifandraisan'ny mpiara-belona eo amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco ho an'ny Faritra Afrika sy Madagasikara...

♦ Fanamasinana ho pretra sy ho diakra, fankalazana ny taom-bolafotsin'ny FFVA, ary fitsofan-drano ireo mpitarika APV : ireo no hanamarika ny ivon'ny fankalazana ny faha-160 taona nitoriana an-kalalahana ny finoana teto Iarivo, amin'ny alahady 26 septambra izao... ♦ Nomarihana tamin'ny faran'ny herinandro teo ny fetin'ny Lakroa Masina, mpiaro ny Aumônerie Catholique Militaire ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina... ♦ Namoaka ny laharana voalohany amin'ny tahirin-kevitra siantifika "Ilon-tsaina" ny Ivon-teorana Arrupe eny Faravohitra, eo ambany fiahian'ny Fikambanan'i Jesoa...

Mbola manohy ny sehatr'asany hatrany ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny amin'ny kaominina Ambohimangakely, distrika Antananarivo-Avaradrano. Na teo aza ny fahasahiranana samihafa nolalovana isan'izany ny valan'aretina covid-19, mbola mijoro ary manohana ity Foibe ity ny mpiara-miombon'antoka samihafa... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...