Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Raha vao mahita rahona avy any andrefana ianareo, dia manao hoe: ‘Ho avy ny orana’, ka avy tokoa izy; ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: ‘Hafana ny andro’, ka tonga tokoa izany. Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany, ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao? Nahoana koa no tsy amantaran’ny tenanareo izay marina? Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo, fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra, ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina. Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tonga hanipy afo etý ambonin’ny tany Aho, ka akory itý faniriako mba hirehetan’izany sahady! Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho, ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany! Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana etý an-tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana aza. Satria hatramin’izao raha olona dimy an-trano iray, dia hanao an-daniny, ka hifanohitra ny telo amin’ny roa, ary ny roa amin’ny telo; ny ray amin’ny zanany lahy, ary ny zanakalahy amin’ny rainy; ny reny amin’ny zanany vavy, ary ny zanakavavy amin’ny reniny; ny rafozam-bavy amin’ny vinantony vavy, ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: "Fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamìna. Koa mivonòna koa ianareo, fa ho avy amin’izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak’Olona." Dia hoy i Piera taminy: "Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an’ny olona rehetra koa?" Ary hoy ny Tompo: "Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: ‘Ela vao ho avy ny tompoko’, ka amin’izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy. Izay mpanompo nahalala ny sitrapon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitrapony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aoka ho voaetra ny andilanareo, ary ho voarehitra ny jironareo. Manaova toy ny olona miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin’izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin’ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo."
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco