Maro ireo olomasina mitondra ny anarana hoe Julien fa ny tsarovana ny 09 janoary dia i Masindahy Julien d'Antioche, vadin'i Masimbavy Basilisse. Izy ireo dia antsoina hoe mpivady virjiny, relijiozy martiry. Na dia maty tamim-pitiavam-bavaka aza i Basilisse dia nantsoina tamin'ireo anarana mitovy ireo izy roa.

Maro ny fomba fanaovana "méditation" ho an'ny kristianina : misy ny tena tsotra fa misy ny somary sarotra ; ny sasany mitaky fampiasana saina sy fahalalana kokoa, ary ao ny mitaky fampiasàna ny fitadidiana, saina mandinika ary ny sitrapo. Maro no nilaza fa asan'ny fo ary famolavolana ny fo ny vavaka, ary ny fo no manambara ny olombelona manontolo amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Kaominina Marovato Distrikan'i Tsihombe Faritra Androy : Tafakatra 10.000 ariary ny vidin'ny rano iray "bidon" mavo raha hahita, mananontanona indray ny kere...
  • Maherin'ny 30 Ha ny velaran-tany may ao amin'ny Park National Ranomafana Ifanadiana vokatry ny doro ala sy doro tanety, efa ho herinandro izao tsy maty ny afo...
  • Mihatra amin'ny rafim-panjakàna rehetra ny tsindry pôlitika ataon'ny mpitondra saingy tsy mihatra ho an'ireo mpanohana azy tsy manara-dalàna hoy ny filoha lefitra fahafito eo anivon'ny antenimieram-pirenena Siteny Randrianasoloniaiko...
  • Miatra any Los Angeles sy Ventura ankehitriny ny fepetra fampiasa amin'ny tany anaty hamehana noho ny fahamaizana goavana mitranga ao amin'ny faritr'i Pacific Palisades...

Tsy mitovy ny lahy sy ny vavy ; ny lahy dia manao hetsika ary maleho-tena, ny vavy kosa dia olon'ny teny sy ny serasera. Ny vehivavy dia mila ny hafa kokoa, afahany maneho sy mizara. Rehefa manilika ny tenany ny vehivavy dia lasa tsy mahatoky tena, ary tsy mahatsapa ny hasiny intsony. Ireo mahatsiaro tena ho voahilika, tsy mahatoky tena dia mila tantsoroka fanohanana mba afahany mijoro... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...